Gianna Jaky - Avelao hiteny

Ny foko efa nivoady

Hiara-dia aminao rahatrizay

Ireo mpankahala tsy mitsaha-mitady

Hampisaraka antsika sy handrava lay

Ny endrikao manazava

Izay alehako hatramin'izao

Ny antsika fo mifangihy lalandava

Ireo mpanenjika antsika ho la

oAvelao hiteny ireo olo-mandrara

Tsy ahoantsika ireny na inona hambara

Avelao hiteny ireo olon-tsy tia e

Satria izaho sy ianao iray hatramin'izao

Aza-manahyAzy ho azy ny azy

Mamela-pandrika toa fahavalo

Mitsiriritra sa mialona ve ireo

Fitiavako anao tsy mba mety mimalo

Na inon-kitranga na inon-kidona

Fitia voasedra fitia mandra-maty

Ka tsy hilofika na mba hidola

Fitia lalim-paka sy latsaka anaty

Na inon-kitranga na inon-kiseho

Avelao hiteny ireo olo-mandrara

Tsy ahoantsika ireny na inona hambara

Avelao hiteny ireo olon-tsy tia e

Satria izaho sy ianao iray hatramin'izao

Avelao hiteny ireo olo-mandrara

Tsy ahoantsika ireny na inona hambara

Avelao hiteny ireo olon-tsy tia e

Satria izaho sy ianao iray hatramin'izao

Aza-manahyAzy ho azy ny azy

Na inon-kitranga na inon-kiseho

Na inon-kihantra na inon-kidona

Avelao hiteny ....